Proverbs 9

Ny fiantsoan’ ny fahendrena sy ny fahadalana

1Ny fahendrena efa nanao ny tranony; Efa nipaika ny andriny fito izy; 2Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa; 3Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon’ ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe: 4Izay kely saina, dia aoka izy hankatỳ; Ary amin’ izany tsy ampy saina dia hoy izy: 5Avia, hano ny mofoko, Ary sotroy ny divay voaharoharoko. 6Ilaozy ny
Na: Mitsahara, ry.
kely saina, dia ho velona ianao, Ary mizora amin’ ny lalan’ ny fahalalana.
7Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny. 8Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao. 9Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy. 10Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masìna no fahazavan-tsaina. 11Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao. 12Raha hendry ianao, dia hendry ho an’ ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hiharan’ izany. 13Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavàna; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona. 14Fa mipetraka eo am-baravaran’ ny tranony izy, Ary amin’ ny seza eny amin’ ny fitoerana avo eo an-tanàna, 15Mba hiantso ny mpandalo Izay mizotra amin’ ny alehany, ka manao hoe: 16Aoka hivily atỳ izay kely saina; Ary amin’ izay tsy ampy saina dia hoy izy: 17Mamy ny rano angalarina, Ary fy ny mofo hanina amin’ ny fiafenana, 18Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin’ ny halalin’ ny fiainan-tsi-hita
Heb Shoela.
ny olona nasainy.
Copyright information for Mg1865